VOIN-KAVA MAHATRATRA

“Vonona hatrany izahay hamonjy sy hanampy ireo mpiara-belona traboina, iray vatsy iray aina” hoy ireo orinasa nitondra ny tolo-tanana.
Orinasa 4 sy Vondron’orinasa 2 hafa indray no namaly ny antso tolo-tanana ho an’ireo traboina androany. Naterina niaraka tamin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana teny amin’ny Foiben’ny BNGRC Antanimora ireo entana ireo.
Fito andro androany 01 febroary 2022 izay no nifarimbonan’ny MICC sy ireo orinasa sy vondron’orinasa tsy miankina tamin’ny tolo-tanana ho an’ny fianakaviana traboina vokatry ny toetr’andro ratsy araka ny fanamarihan’ny Tale misahana ny Mahaolona eto anivon’ny MICC.

👉

MICC : aro vava 9 baoritra (aro vava 7000 isa)

👉

World Knits Mada: fitafiana isan-karazany anaty baoritra miisa 12

👉

SMTP: loko miisa 10

👉

Orinasa Karina: baoritra 3 misy fitafiana isan-karazany, vary 50kg 4 gony

👉

Easytech: vary 50kg 20 gony

👉

Socota: ravin-damba (rouleaux) miisa 21

👉

Siranala: lela vola mitentina 1.000.000ariary

Vous aimerez aussi...