FANISANA IREO MPANAO ASATANANA

Tao aorian’ny fanaovan-tsonian’ ny fifanarahana teo amin’ny MEF – INSTAT sy ny MICA ny 30 Septambra 2019 dia tontosa anio tetsy amin’ny Biraon’ny Foibem-pitondrana Ankapobenym misahana ny Asatanana ny fanolarana ara-pomba ofisialin’ny voka-pikarohana sy ny vokatry ny fanadihadiana tamin’ny fanisana nasionaly ireo mpanao asatanana nataon’ny eo anivon’ny INSTAT. Ny fikarohana rehetra natao dia niainga avy amin’ny Fanisana ny Mponina sy ny Toeram-ponenana na ny RHPH3 ary mifanaraka indrindra amin’ny masontsivana fifantenana araka ny didim-panjakana laharana 11443/99/MIA/SG/DGA/DSO mamaritra ny ny fanasokajiana ny mpanao asatanana sy ny anaran’ireo sehatrasa.
Temboka telo lehibe no misongadina ao anatin’ity tatitra ity :

✅Fanisana nasionaly ny mpanao asatanana

✅Toe-piainan’ny mpanao asatanana ara-tsosialy sy ara-toekarena

✅Toerana ahitana ireo mpanao asatanana miisa 200 000 amin’ny faritra an-tanàn-dehibe

“Ho an’ny MICA, dingana iray goavana manamarika ny sehatry ny asatanana izao zava-bita izao ahafahana manohana ara-teknika amin’ny fomba malalaka ary koa mamaritra ny fiantraikan’ireo sehatrasan’ny mpanao asatanana ireo amin’ny harinkarena eto Madagasikara. Avy amin’ity antontan-kevitra ity no ahafahan’ny minisitera mirona makany amin’ny firaketana ara-nomerika (digitalisation) izany angona izany sy ny fampahaizan’asa aman-draharaha ireo mpanao asatanana ireo” araka ny nambaran-dRtoa Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana, Lantosoa RAKOTOMALALA.

Vous aimerez aussi...