Fihaonana teo amin’ny MCI mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ny Minisitry ny MICC

Noraisin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy nifampidinika taminy tao amin’ny birao fiasany Ambohidahy ny Talata 7 desambra 2021 lasa teo ny mpikambana ao amin’ny MCI mpiaro ny zon’ny mpanjifa notarihan’ny Filohany Razafindralambo Andry Vola.

Nisy avy hatrany ny fidinana teny an-tsena teto an-drenivohitra ny ampitso niarahany tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Minisitera. Niaraha-nahita fa mari-toerana ny vidin’entana teny amin’ny mpamongady, ampy ny tahiry.

Vous aimerez aussi...